Ny Alatsinainy 14 Novambra lasa teo tany amin’ny kaominin’i Behara sy Ifotaka – Distrikan’Amboasary Atsimo – dia niroso tamin’ny fanonerana andiany faharoa ho an’ ireo mpamboly nandray anjara tamin’ny « Fiantohana Fambolena misy Maridrefy ». Miara-miombon’antoka amin’ny PAM sy ny SMMEC moa ny Tranompiantohana ARO amin’io tolotra io.